<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>50</hymn_number>
<title>lanao izay miasa fatratra FF50</title>
<lyrics>[V1]
 lanao izay miasa fatratra
 Fa mikendry mba hanefa zava-tsarotra
 Moa tsy tsapanao ho mahasambatra
 Ny asa izay atao am-pitiavana
 Mihamaivana, mora entina
 Ny fahasahiranana toa mitambesatra
 Raha ao ny fo manaiky marina
 Ho tia sy handala ny asa rehetra

[V2]
 Hoy ny hafatry ny Tompo aminao
 Manatona Ahy raha toa sahirana
 Fa Izaho tsy manary na mandao
 Izay miezaka ka hita reraka
 Nefa moa ve, vonon'ianao
 Handà ny tenanao, hamoy izao tontolo izao
 Dia hanaiky koa mba ho tarihina
 Fa sarotra ny làlana sy asa atao

[V3]
 Mitsangàna, mandrosoa hiasa e !
 Fa malalaka ny Saha izay omena anao
 Dia meteza koa hanaiky hanome
 Harena, herim-po ilaina aminao
 Aza ketraka, matokia izao
 'Lay hery 'zay manohana ny fiezahanao
 ka mitondra soa, manova mba ho vao
 ny vokatry ny asa izay nanasatr'anao</lyrics>
</song>